Mois : juin 2023

Miandry lava izao !

Mamita iraka any ivelany ny filohan’ny Repoblika, ankehitriny. Midika izany fa tsy manohintohina ny toerana sy ny andraikitra sahaniny ny resabe miseholany etsy sy eroa. Mazava be, tsy hisy rahateo ny hahakitikitika azy hatramin’izao, satria mbola ao an-damosiny ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra. Mampiseho firaisan-kina sy firaisan-tsaina rahateo […]

Fivoriambe ho an’ny famatsiam-bola any Paris: nitanisa ny ezaka vita ny filoha Rajoelina Andry

Nanomboka omaly, any Paris, ny fihaonana an-tampony momba ny Fifanarahana ho an’ny famatsiam-bola vaovao  “Sommet pour un nouveau pacte fiancier mondial”. Anisan’ny mikarakara izany ny eo anivon’ny Fida. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ka nambarany tamin’ny lahateniny fa mitana andraikitra lehibe amin’ny vahaolana maharitra hiatrehana ny […]

Fikambanan-jiolahy: mpangalatra fiara sarona niaraka tamin’ny bala

Ravan’ny zandary ny fikambanan-jiolahy mpangalatra fiara. Voasaringotra tamin’izany koa ny mpividy halatra. Efa naiditra am-ponja izy ireo. Tra-tehaka ireo jiolahy efatra  tompon’antoka tamin’ny fahaverezana  fiara tsy mataho-dalana. Noraisim-potsiny tetsy Ambohitrimanjaka izy ireo. Nandroba ny fiara tsy mataho-dalana iray marika Mazda  BT 50 teo Andranotapahina Mandriambero izy ireo, ny 4 jona […]

Facebook: misoloky ho mahavita Visa Schengen

Natolotra ny fampanoavana omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany vahiny iray. Voarohirohy ho nanao fisolokiana, milaza fa mahavita manao Visa Schengen izy. Ireo polisy misahana ny fanaraha-maso sy fanadihadiana ireo vahiny mandalo eto amintsika no nahasambotra azy. Mandeha fanapariahana amin’ny kaonty “facebook” ity vazaha ity mampahafantatra ireo hivoaka an’i […]