Afaka ao anaty haizina ! Nisitraka ny tetikasa «Hazavao ny elakela-trano», tanterahin’ny Jirama, ihany koa ny mponin’Amboditsiry, tapany andrefana. Herinandro lasa izay no nangatahan’ny mponina hametrahana jiro fanazavana ny lalana mirefy 700 metatra eo. Satria tsy nisy fahazavana nandritra ny 20 taona mahery, ka tena nampatahotra noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra […]
Mois : juin 2023
Mitotongana : 5 000 Ar latsaka ny sandan’ny 1 euro
Tsy mitsahatra mitotongana ny lanjan’ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ ny vola vahiny. Mananontanona ny 5.000 Ar ny 1 euro, ka efa nisanda 4 935 Ar, omaly 21 jona 2023, araka ny antontanisa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), araka ny fifanakalozana farany tamin’ny 3 ora tolakandro, ary 4 878 Ar raha […]
Fikaohan’ny nofontany : velarantany 9 000ha harenina any Amoron’i Mania
Tsy mionona amin’ny fiarovana ny ala fotsiny ny fikajiana ny tontolo iainana. Tsinjovina koa ny hitondra fampandrosoana hanatsarana ny fiveloman’ny mponina. Anisan’izany ny fandaharanasa PLAE. Hisehatra amin’ny famokarana, fiarovana ny ala voajanahary sy fampihenana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fampiroboroboana ny toekarena eny ambanivohitra ny fandaharanasa PLAE* andiany […]
Vovonana Lera : “Tsy handray anjara amin’ ny diniky ny Ceni izahay”
Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Lera, omaly teny Tsimbazaza. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tena tonga ny fotoana “Lera”. Anisan’izany ny fitotongan’ny toekarena, ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa, ny tsy fandriampahalemana. Ny olan’ny fikarakarana ny fifidianana. “Tsy handray anjara amin’ ny dinika faharoa karakarain’ny Ceni anio, izahay…”, […]
Asara …mantsina !
Andro sisa dia hilanona ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Hiara-hankalaza ny vanin’andro niverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’i Madagasikara. Efa serintseriny sy somebiseby aoka izany ny mpikarakara, ankehitriny. Mandeha ny fizarana ny fanasana. Asa, iza avy no nahazo ny anjarany? Iza ihany koa no hanoina ny antso? Iaraha-mahalala fa efa vaky sy tsy misy […]




