Hotontosaina ny 15 hatramin’ny 23 jolay 2023, any amin’ny Nosy Sainte-Marie na Nosy Boraha, ny «Festival des Baleines 2023». Hetsika ara-javakanto sy ara-panatanjahantena maro samihafa no hanamarihana ity hetsika lehibe ity. Ho hita mandritr’izany ihany koa ireo seho sy haikanto ary kolontsaina mampiavaka ny Nosy Boraha. “Tanjona ny haneho ny maha izy azy ny Nosy Boraha sy hitondrana fanentanana ho an’ny olona ny amin’ny tokony hiarovana ny biby an-dranomasina”, hoy Ramahandrison Felana, mpandrindra ny tetikasa festival des Baleines.
Tafaverina indray ny “festival des Baleines” taorian’ny fotoana lava tsy nahitàna azy. Fijerena ireo Trozona, manao seho miavaka, mitsambikina avy ao anaty ranomasina, amin’iny morontsiraky ny Nosy Boraha iny ny “festival des Baleines”. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana ara-javakanto sy iarahana amin’ny mpahay kanto avy ao an-toerana. Hisy ihany koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena izay efa nahafantarana ny hetsika hatramin’izay.
Nomena lanja manokana ny mpahay kanto avy amin’iny faritra iny, amin’ny alalan’ny fampisehoana isaky ny hariva, ahitana an’i Boss Mananarien, Roots Man, Annicette ary Lien Bouessa. Ankoatra izay, hisy ny lalao sy fanentanana maro ho fampifaliana ireo manatrika ny “Festival des Baleines”.
Lin (Mpianatra asa)




