20 taona an-tsehatra…: nanomboka tamin’ny Pazzapa… efa manana ny lalany i Poon

Tsaroanareo ve i Poon Pazzapa? Efa ela no adinodino izay fanampin’anarany izay, satria nanoritra ny lalany manokana ary manohy izany ity mpanakanto ity. Aleo izy no hitantara…

Gazety Taratra (*): Ma­nana fanontaniana telo hapetraka amin’i Poon izahay. Ny voalohany, azonao fintinina ve ny momba anao sy ny lalana nodiavinao teo amin’ ny mozika?
Poon (-): Salama e! Ranai­voarisoa Joël Solomampio­nona, teraka ny 25 jolay 1983, manambady iray ary manana zanaka kambana mianadahy. Monina ety Itaosy-Unis…
Nanomboka niaka-tsehatra voalohany ny taona 2003, ni­hira sy nanentana tanaty orikesitra. Ny taona 2007 no nandray anjara tamin’ny fifaninanan-kira “Pazzapa” ary nivoaka ho mpandresy… Nanohy nihira foana, ary namoron-kira ihany koa. Ny taona 2011 aho no nanao ny Poon’Lanitra, ka namoaka rakikira fiderana iray manon­tolo. Hira noforoniko avokoa ny voarakitra ao, ankoatra ny hira roa nomen’ny pasitera Jocelyn Ranjarison.
Niara-dalana tamin’izay hatrany ny fanentanana tanaty orikesitra, ka ny taona 2013 aho no nanangana ny Poon & Co. Tsy
nitsahatra tamin’ny fiaraha-miasa amin’ireo namako mpana­kanto mihitsy aho, araka ireny hita sy renareo ireny. Ny Gasy Band izao, iarahako amin’ireo namako samy anaty orikesitra, kanefa manana endrika hafa indray.

* 20 taona an-tsehatra… Inona avy ny hetsika hanama­rihan’i Poon izany?
– Ny akaiky sy lehibe indrindra dia ny sabotsy 22 jolay izao, etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana. Fanamarihana ny 20 taona an-tsehatra, fa faha-10 taonan’ny Poon & Co koa io. Hanasa ireo mpanakanto namako maro aho, toa an-dry Fanja Andria­ma­nantena, Rija Ramanantoanina, Silo, Sandra, Tovo J’hay, ny Gasy Band, sns, amin’io. Hivoaka amin’io koa ny rakikira vaovao fahatelo an!

* Ny hafatr’i Poon ho an’ny mpankafy?
– Fisaorana e! ho anareo nitia ahy hatramin’izay na lavitra na akaiky. Misaotra ireo niara-niasa tamiko rehetra. Ireo nametraka fitokisana tamiko tamin’ny fetiny. Izaho efa teo sady mbola ho eo foana hanohy ny asa mozika…

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: