Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ny Akademia malagasy, Tsimbazaza, ny fanolorana ny velakevitra sy fifanakalozana, nentin’ireo mpikambana ao amin’ny Akademia malagasy. Ny sokajy haikanto sy hailaza ary hairaha, eo anivon’ny Akademia no nanatontosa sy nandrindra ny fivoriana, teo ambany fiahian’ny filoha sy ny biraon’ny Akademia. Velakevitra anisan’ ny niavaka tamin’izany ny nentin-dRakotozafy Mathilde, nitondra ny lohateny hoe “Syncrétisme et grammaire opératoire: vers une approche innovante du malgache”. Akademisianina, Mpampianatra, Mpianatra, Mpandalina manokana ny teny malagasy, ireo no maro anisa niatrika ny famelabelaran-kevitra sy nifanakalo hevitra momba izany.
Mitohy hatrany ny velakevitra ataon’ny akademisianina, anehoan’izy ireo ny vokatry ny fikarohana sy fandalinana nataony, momba ny teny malagasy sy ny zava-misy ankehitriny. Anisan’izany ity natolotry Rakotozafy Mathilde ity, nitondrany fanamarihana sy fanatsarana momba ireo fitsipi-pitenenana tena ampiasaintsika Malagasy. Nambarany tamin’izany ny antony mahatonga ny tsy fanajana izany
fitsipika izany, izay lasa mandeha ho azy amin’izao fotoana.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanandratana ny fahaizan’i Régis Rajemisa Raolison manoratra. Andrianasolo Hajaina no nitondra ity lohahevitra ity ary tamin’ny alalan’ny asa soratra miventy ny fitiavan-tanindrazana no nitarafany izany.
Lin (Mpianatra asa)




