Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny eo anivon’ny antoko RPSD. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain (Bebain) fa tokony hirosoana ny fifidianana. Nametraka fepetra anefa izy ireo. “Kitihina sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana. Ovaina ny mpikamban’ny governemanta hitantana ny fifidianana. Mba tsy hitanila na hiandany ireo minisitra voatendry. Vonona ny hitondra traikefa ahatongavana amin’ny fifidianana eken’ ny rehetra izy ireo”, hoy izy. Anisan’ny dingana ahatongavana amin’ny fikitihana ny lalàna ny fiantsoan’ny governemanta fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemanta. Anisan’ny antoko mitaky fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra ny RPSD.
Etsy andaniny, nanambara Andriantsizehena Benja Urbain fa miandry ny lisitry ny kandidà ofisialy havoakan’ny HCC hiatrika fifidianana ny RPSD vao haka fanapahan-kevitra. “Hivory izahay na hanao kongresy. Hojerena ny vinan’ireo kandidà. Hotohananay ny mpirotsaka hofidiana manana fandaharanasa mitovitovy amin’ny anay”, hoy izy.
Ankoatra izany, nisaotra ny fitsarana sy ny fanjakana ny tenany tamin’ny namoahana tany am-ponja ny tale jeneraly vonjimaika, eo anivon’ny Cnaps. Nihaino ny vahoaka sy ny olobe ary ny feon’ny faritra izy ireo, araka ny nambarany.
Synèse R.




