Miha tsy mahalala fomba andro aman’alina ny tanora ankehitriny. Ankoatra ny zava-baovao ampidirin’ny vahiny eto, anisan’ny antony miteraka io tranga io ny fanabeazana. Tsy afaka ny manatanteraka ny didy aman’andraikiny loatra ny ray aman-dreny. Misy aza, matahotra ny manoro, ny mananatra, ny mitantana, ny manaitra ny zanany manoloana ny tena zava-misy marina tsy notefitefena.
Tsy vitsy ny ankohonana ankehitriny no miorina sy mifototra amin’ny fomba vahiny satria novolavolaina ho amin’ izany mihitsy ny zanaka. Taranaka malagasy manana fisainana, fihetsika, vahiny, kanefa tsy mampiraika ny ray aman-dreny niteraka. « Ho lasa tahaka an-dry zareo mena hoditra any Amerika sy ny Aborizenina ao Aostralia no hiafaran’ny Malagasy eto Madagasikara raha izao tsy fahalalana ny momba azy izao no mitohy », hoy i IP Andriamangatiana, mpampianatra mpikaroka. Nambarany fa tsy ho ela no hitrangan’io fa ao anatin’ny 50 taona monja raha tsy omena vahana ny maha Malagasy. Mitaky fahasahiana, fahaizana, fahendrena amin’ny ray aman-dreny anefa ny fanomezana vahana ny maha Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




