“Voafehiko tsara ny laza adina tamin’ny taranja Histo-Géo ny alarobia maraina teo”, hoy ilay zokiolona 70 taona, monina eto Antananarivo, niatrika ny fanadinana BEPC voalohany teo amin’ny fiainany, tamin’ity taona ity.
Anisan’ireo mpiadina farany nivoaka ny efitrano fanadinana izy taorian’ny ora telo naharetan’ny taranja, omaly maraina. Manana paikady manokana izy nitondrana ny lohahevitra ady lehibe voalohany sy ny fizahantany mamoafady, tao anatin’ny laza adina. Mailamailaka indray izy hamonjy fodiana hisakafo fa mbola hiverina hanao Fizika Simia ny tapany hariva.
Indroa izy no nanala fanadinana CEPE ka afaka soa aman-tsara tamin’ity taona ity. “Tanjona faharoa ny BEPC ary manantena fahombiazana koa”, araka ny fanehoan-keviny. Tsy hijanona eo fa mikarakara ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea indray rehefa azo ny mari-pahaizana roa voalohany. 9ème izy no nijanona, tsy nianatra tany an-dakilasy, ary nanomboka teo dia nampiana-tena hatrany. Mividy boky eny Ambohijatovo izy ary manaraka ny fandaharam-pianarana rehetra ahazoany manohy mianatra. Ao amin’ny Tahala Rarihasina no mijery ireo karazana laza adina efa nivoaka rehetra hizarany tsy tapaka.
“Tsy voatery any am-pianarana vao mahazo fahalalana ary fianarana hatrany ny fiainana. Tia mamaky boky aho hatramin’ny mbola nianatra ary tohizako hatramin’izao. Tsy mahasarika ahy ny hanao “cours” etsy sy eroa fa ny antontan-kevitra sy ny boky manampy ahy”, hoy ity zokiolona ity. Tokan-tena izy ary efa niasa tamin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina taloha. Mamaky boky sy mianatra no handaniany andro, amin’izao fotoana. Nofaranany tamin’ny hoe : “rehefa azo ny diplaoma dia apetako eny amin’ny rindrina ary izay no tena fifaliako”.
Vonjy A.




