Fandrindram-piterahana : hiampy 1 700 000 ny mpisitraka

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fikitihana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hisy ampahany amin’izany alefa amin’ny fividianana fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana haparitaka amin’ny hopitalim-panjakana amin’ity taona 2023 ity.
Miisa 3 496 701 ireo vehivavy sy renim-pianakaviana izay efa manao fandridram-piterahana hisitraka izany fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana izany. Hiampy mpisitraka vaovao miisa 1 700 000 manerana ny Nosy, raha ny tatitra hatrany.
Fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, UNFPA, ity fandaharanasa fanabeazana aizana eto Madagasikara ity.
Efa maro ny renim-pianakaviana liana sy mampiasa ny fomba fandrindram-piterahana eto Madagasikara ary manatona ireo tobim-pahasalamana manatanteraka izany. Eo koa anefa ireo mpiasan’ny fahasalamana manatona eny ifotony mihitsy manao fanentanana.
Maro karazana rahateo ny fomba fandrindram-piterahana azo ampiasaina ary natao hifanaraka amin’ny toe-tenan’ny tsirairay izany. Mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tokantrano malagasy ihany koa.

Tatiana A

Partager sur: