« Festival Evasion II »: hahazo vahana kokoa ny fifaninanana

Anio sy rahampitso, hahazo vahana kokoa ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Fes­tival international de danse de création Evasion danse II » ny fifaninanana. Hotanterahina amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Ivokolo Analakely ny « Concours d’improvisation » ho an’ny mpandihy 20 sy mpandray anjara 20 hafa. Raham­pitso, ao amin’ny Institut Fran­çais de Madagascar (IFM) Analakely no hanatontosana ilay fifaninanana soradihy, handraisana kaompania efatra anjara. Ny Dihy lavitra haneho ny« Andria­niko ny dihiko, ny an’ny hafa kosa feheziko », ao anatin’ny 25 mi­nitra. « Manan­tena inona?» ho­dihizin’ny ADM mandritra ny 22 minitra. Ny Xtrema no haneho « Raikitra » ary ny « Diso ve?» no hoentin’ ny Master Jah eny an-tsehatra mandritra ny 25 minitra.
Tsikaritra nandritra ny tolotra nomen’ireo mpandray anjara amin’ny Festival Evasion II fa anisan’ny tia mandihy ny Mala­gasy. Manomboka voasarika amin’ny famoronana soradihy ny tanora. Tazana hatrany ihany koa ilay aingampanahy mifaka amin’ny kolontsaina malagasy, hany ka tsy sarotra amin’ny mpi­jery ny mandray ny tian’ny soradihy tsirairay hambara. Iray amin’ireny, ny fahitana ny karazana asa famoronana tsy mifanalavitra amin’ny dihy vakodrazana fahita eto Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: