Lalaon’ny Nosy – Karate : mpikatroka 47 hifantenana ny ekipam-pirenena

Nambaran-dRatefinana­ha­ry Emile, filohan’ny Fede­rasion’ny karate malagasy (FKM), tetsy By-pass, omaly, fa 47 mianadahy sisa ireo hifantenana ny ekipam-pirenena hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Izy ireo no miatrika ny fampivondronana farany. Ma­rihina fa 31 ireo hiaro ny voninahi-pirenena. Hiady ny me­daly volamena eo amin’ny fihetsika mirindra (Kata) sy ady (Kumite) izy ireo.
Nambaran’ny filohan’ny FKM fa ankoatra ny lalaon’ny Nosy, natao handrafetana ny ekipa nasionaly ireo karateka 47. Ny alahady ho avy izao no hamoahan’ny federasiona ny lisitr’ireo mpilalao 31 voafantina.

Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona 2022 ny fampivondronana sy fifantenana. Nahatratra 80 izy ireo tamin’ izany. Anisan’ny masontsivana nitilina ireo mpikatroka ny fifaninanana toy ny amboaran’ ny filoha, tao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Maha­masi­na, 27-28 mey sy ny “Challen­ge Boeny” ary ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara 2022.
Ireo efatra voalohany isan-tsokajy no nalaina. Miisa eni­na ireo mpanazatra misahana ity fifantenana ity. Zava-baovao amin’ny fandaharam-potoanan’ny FKM ho an’ny taona 2024, ny fiadiana ny amboara natokana ho an’ny vehivavy sy ny kilonga.

Fitia

Ireo lalao iraisam-pirenena miandry ny FKM
14-20 aogositra : Fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Casa Blanca, Maroc
24 -26 oktobra : Fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, Budapest, Hongrie
20-26 novambra : Premier League, Copenhague, Danemark
6-10 desambra : Fifaninanana ho an’ny tanora, Venise, Italie

Partager sur: