Tsy afa-misaraka amin’ny asa famokarana ny akora fototra azo avy amin’ny fitrandrahana ny tontolo iainana. Antoka mampaharitra ny fandraharahana sy ny asa sahanina ny fikolokoloana ny rohivoaary.
Mila apetraka ny rafitra momba izany. “Ny orinasa vaventy no efa tafiditra amin’ny kolontsaina sy andraikitra RSE. Tokony hapetraka ny lalàna sy ny rafitra mba hahafahan’ireo orinasa madinika sy salantsalany izay tsy manana fahafahana manao ny RSE”, hoy ny filohan’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA), Rakotondrasanjy Rivo, omaly, nandritra ny fanokafanan ny salon « Responsabilité sociétale des entreprises » (RSE), andiany fahavalo, tetsy amin’ny Novotel Alarobia. Andry iankinan’ny toekarena sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina. Hatramin’izao mbola ny orinasa vaventy no mampihatra ny andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana amin’ny orinasa (RSE). Mila fanabeazana amin’izay ireo orinasa madinika sy salantsalany. Notohizany fa antoky ny faharetan’ny fisian’ny akora ampiasain’ireo orinasa madinika sy salantsalany ny fitandroana ny tontolo iainana. Ilàna fanabeazana sy ny fampahafantarana azy ireo ny fikolokoloina ny tontolo iainana sy ny manodidina azy. Tafiditra amin’izany ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny fako.
Miara-miasa
Tokony hanantona ny fitondram-panjakana ireo orinasa madinika mba hamantarany ny tokony hataony. Toy ny fomba fitrandrahana ireo akora tena ilain’ny orinasa. Ankoatra izay, efa an-dalana ny famolavolana paikady fametrahana ny RSE ataon’ny fanjakana ho an’ireo orinasa tsy miankina. “Voizina ny fampandraisana andraikitra hipaka amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Manentana ny orinasa mba hiaro ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Vina Marie Orléa. Tsiahivina fa maro ny lohahevitra resahina mandritra ny hetsika. Izara ny fahaiza-manaony ireo manampahaizana samihafa maneran-tany.
Henintsoa Hani




