Miverina ny fitiavan’ny Malagasy mihaino sy manaraka tantara amin’ny Radio. Na izany aza, mbola misy ny lesoka heno amin’ireny tantara ireny. Fanazavan’i Arikom’s Randria.
Gazety Taratra (*) : Raha ny traikefa matanjaka anananao momba ny tantara fandefa amin’ny Radio. Inona ny heverinao fa lesoka amin’ireny fandre amin’izao fotoana ireny ?
Arikom’s Randria (-) : Somary manara-davahana ny mpanoratra ankehitriny. Misy endriny vitsivitsy ny fomba fisehon’io. Mitovitovy amin’ny tantara tany aloha ihany no soratana fa somary ovaina kely. Izany hoe, makamaka tahaka kely tamin’ny tantara efa voasoratra tany aloha. Faharoa, Ny tantara « horera » no maro mpihaino sy mpanaraka, amin’izao, mirona mankany ny mpanoratra. Lasa tahaka ny lamaody indray izy eto. Mety ahenoina tranga maneho fahasahiana be loatra, ohatra. Na izany aza, misy ny mpanoratra mamorona. Ahitana sy ahatarafana izany ny sanganasany. Mitondra zava-baovao hatrany.
* Fa nahoana ary no mitombo be ny mpihaino sy mpanaraka ny tantara amin’ny Radio amin’izao vanim-potoana izao kanefa misy ireo lesoka ireo ?
– Ity no tsy azo hadinoina raha vao miresaka momba ny tantara fandefa amin’ny Radio. Ny Malagasy mihitsy no tia tantara. Na izy mitantara, na izy mihaino. Samy tiany avokoa ireo. Ankoatra izay, fialamboly ho an’ny Malagasy ny mihaino tantara. Noho izany, arakaraka ny maha maro ny Radio mandefa tantara no maha maro ny mpihaino azy io.
* Ary toa tsy sokajianao ho lesoka ny tsy fahaizan’ny mpilalao mamelona sy mitana ny anjara toerany ?
– … Satria tsy ny mpilalao ihany, ange, no maha tsara na sanatria maha ratsy ny tantara e! Misy toko telo tsy afa-miala ao. Ny mpanoratra sy ny mpilalao ary ny mpanatontosa. Raha ho an’ny mpilalao tantara manokana, tsy vitan’ny aingampanahy ny filalaovana tantara fa misy teknika, noho izany, mila mianatra. Ny feo no manome ny sary ho an’ny mpihaino.
* Ho anao, tantara tahaka inona no tsara hamaroina amin’izao vanim-potoana izao ?
– Tantara miompana amin’ny fanabeazana. Ahitana ny foto-pisainana malagasy tahaka ny fihavanana, fifanajana, firaisankina, sns. Halavirina ny miresaka fifankahalana. Lokoina amin’ izay loko mety aminy izy avy eo. Ohatra, mampihomehy, miresaka fitiavana, sns.
Nitafa : HaRy Razafindrakoto




