Tetikasa Haratonaina : tokantrano 84 000 ireo mpisitraka eto Antananarivo

Nosokafana omaly, tetsy amin’ny parvis Analakely, ny “Herinandron’ny Haratonaina” ho an’ny eto Antananarivo rehefa avy nitety faritra maro. Nasongadin’ny tale misahana ny kolontsaina sy fampivoarana ny fiarahamonina ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ravelomanan­tsoa Elia fa misitraka tombony betsaka amin’ny tetikasa “Ha­ratonaina” ny mponina sahirana eto Antananarivo Reni­vohitra. 84 000 izy ireo ary 22 000 mandray tohana sy fampiofanana amin’ny alalan’ity tetikasa fiahiana sosialy ity.
Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny FID izay mpanatanteraka ny tetikasa, Raboanary Vero, fa efa ankohonana 30 000 no nisitraka ny tetikasa “Milofo sy Mitsinjo” amin’ireo tanàn-dehibe telo iasana ary anisan’izany Antananarivo.
Nanome lanja ny fisarihana ny fianakaviana maro latsaka tanaty fahantrana lalina ary afaka niarina ny tetikasa “Haratonaina” tao anatin’ny 7 taona (2016-2023).
69% amin’ireo zanaky ny sahirana no nazoto nianatra, 90% niasa mampidi-bola, 60% nampiakatra ny fambolena sy fiompiana maharitra sy mamokatra. Niantoka amin’ny fahavitan-tena ho an’ny fianakaviana marefo ny tetikasa.
Omaly, nomena mari-pankasitrahana ihany koa ireo tale jeneraly 14 nifandimby nampahomby ity tetikasa fiahiana sosialy ity. Teo koa ireo teknisianina 19 izay mampandeha ny lamina rehetra hampisy vokatra ny tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: