Basikety – JIOI 2023 : hanofana ny Malagasy mpilalao i Naoufal Uariachi

Samy manao izay ho afany ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy ny federasiona tsirairay, amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny taranja basikety.

Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Ramaroson Jean Mi­chel fa hiezaka ny hanome vokatra tsara araka izay azo atao ny taranja basikety. “Manoman-tena amin’ny fahafahan’ny FMBB ny ekipa nasionaly ka araka izay ihany koa ny vokatra ho azo satria tsy misy fahagagana ny fiatrehana lalao iraisam-pirenena”, hoy ny nohamafisiny, omaly, tetsy amin’ny ANS Ampe­filoha, nandritra ny nanaovany ny tatitry ny “World Cup” nataon’ny Ankoay.
Vita ny fampivondronana voalohany ny ekipa nasionaly 3×3 sy 5×5, taranja basikety. Hotohizana amin’ny fanofanana tarihin’ilay mpampiofana iraisam-pirenena avy amin’ny Fiba, i Naoufal Uariachi, izany. Ny 11 hatramin’ny 18 jolay ho avy izao no hanatanterahana ity fampiofanana ity. Hiaraka hifarimbona amin’ny fifampizarana traikefa mandritra io herinandro io, ireo mpanazatra nasionaly malagasy voatendrin’ny federasiona ma­lagasin’ny basikety. Efa ma­naraka fiofanana etsy amin’ny ANS Ampefiloha, nanomboka ny 5 jolay teo, ireo mpanazatra ireo.
Efa fantatra ny Coach amin’ny JIOI

Mpanazatra hitarika ny sokajy Seniors 5×5, amin’ny lalaon’ny Nosy, ny Coach Ndranto, Coach Kims ary ny Coach Ravonimbola. Voa­tazona hitarika ny ekipam-pirenena 3×3, ny Coach Prisca sy ny Coach Deda izay efa nitondra ny Ankoay tany amin’ny “World Cup”.
Vaovao fantatra omaly ihany koa, ny fiatrehan’ny Ankoay Seniors, fifaninanana iraisam-pirenena maro, izay fanampiana avy amin’ny Fiba taorian’ny “Mondial”. Hiatrika ny “Challenger”, hatao any Chine, ny Ankoay Seniors, hisy koa ny “Fiba Africa Cup 2023”, hatao any Egypte ary ny “Africa Cup 2024-2026 Senior” sy U17. Hahazoana tapakila amin’ny lalao Olym­pika 2024 ireo fifaninanana hatrehana amin’ity taona 2023 ity ireo.

Mi.Raz

Partager sur: