Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy : “Tsy maintsy ahitam-bahaolana ny delestazy”

Nitondra fanazavana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, afakomaly. Noresahany ny politika sy ny sosialy.

Niaiky ny minisitry ny Serasera sy ny kolon­tsaina, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ ny fahitalavitra iray izay mbola naverina tamin’ny TVM/RNM, omaly, fa sorena ny vahoaka manoloana ny delestazy sy ny faharatsian’ny lalana. “Mizaka izany avokoa na ny mpitondra aza. Tsy afenina fa sarotra ny famahana ny olana. Tsy mitazam-potsiny izahay mitady ny hamahana izany ka tsy main­tsy ho voavaha”, hoy izy.

Nahitsy ny valinteniny teo amin’ny lafiny politika. Tsy ny mpanao politika no hamaritra mialoha ny maha kandidà na tsia ny filoham-pirenena am-perinasa amin’ny fifidianana ho avy. “Ny vahoaka no nomen’ny Lalàmpanorenana hifidy izay tiany hitondra ny firenena. Ny vahoaka hatrany no afaka maneho na ho tafiditra na tsia amin’ny fihodinana faharoa izy”, hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny governemanta.

Mitory tsy misy porofo…
Etsy andaniny, notebahiny ireo mpahay lalàna sasany. Indrindra manoloana ny resabe momba ilay fizakan’ny filohan’ny Repoblika ny zom-pirenena vahiny. Nanteriny fa tsy voalaza ao anaty La­làmpa­no­renana ny tsy maintsy hanaovan’ny kandidà iray fanambarana ny zom-pirenena hafa ananany. “Diso tokoa izy raha tsy nanao izany raha toa ka voasoratra hatrany amin’ny lalàm-pifidianana. Tsy mitombina ny filazana fa namitaka sy namadika tanindrazana ny filoha”, hoy ny minisitra.
Nitodika manokana amin’ireo nilaza hitory ny tenany. Nambarany fa tsy misy porofo maneho ny tsy maha Ma­lagasy intsony ny filohan’ny Repoblika.

Synèse R.

Partager sur: