Tsy mitazam-potsiny ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ny minisitra mpiahy, ho an’ny taranja Volley-ball. Lelavola 2 tapitrisa Ar no natolotry ny minisitry ny Rano sy Fanadiovana ary Fidiovana ny ekipam-pirenena. Solon’ny saran-dalana ity natolotra ity satria mbola fanazarantena “libre” no tanterahin’ny federasiona amin’izao. Anisan’ny minisitera mpiahy ity FMVB ity koa ny SEG, izay efa nanome. Ankoatra ny solon-tsaran-dalana, nahazo rano avy amin’ny Sainto sy baolina 10 ary fanamiana fanaovana fanazarantena avy amin’ireto minisitera mpiahy ireto, ny ekipa nasionaly. Miatrika vanim-potoana manokana isika, hoy ny minisitra. Tokony samy hibanjina mba hananan’i Madagasikara fahombiazana amin’ity Lalaon’ny Nosy ity ny rehetra, hoy izy. Nisaotra izao fanampiana izao ny tale teknika nasionaly, Razafinjatovo Jean Honoré, sy ny filoha lefitry ny federasiona, Ranaivoson Mamy, izay nangataka ny hanampiana azy ireo mandritra ny fampivondronana “libre”, indrindra ny ara-tsakafo.
Ho an’ny vehivavy, efa 33 taona lasa no nahazoana medaly volamena farany raha tamin’ny 2007 kosa ny lehilahy. Samy nanome toky izy mianadahy ireto fa handrombaka medaly volamena amin’ity.
Mi.Raz




