Efa nanomboka ny alatsinainy teo ny fandikana ny naotin’ny mpiadina tsirairay anatin’ny ordinatera, ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, ka ny 80% no vita hatry ny omaly. Mbola hitohy, anio, ny asa sy ny fanamarinana samihafa. Indraindray misy ny “déliberation” fa tsy voatery hirosoana hatrany fa arakaraka ny zava-misy, hoy ny lehiben’ny Cisco. Rahampitso na ny zoma fara fahatarany no hivoaka ny valim-panadinana BEPC eto an-dRenivohitra.
Anio hariva no ho fantatra ny taham-pahafahana ho an’ny Cisco Atsimondrano satria vita tanteraka, anio atoandro, ny fandikana ny naoty anatin’ny ordinatera. Tombanana ho efa tanteraka, ny omaly hariva, kosa izany ho an’ny Cisco Avaradrano ka ho fantatra anio koa ny taham-pahafahana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco.
Amin’ny ankapobeny, mitovitovy ny tamin’ny taon-dasa ihany ny fari-pahaizan’ny mpiadina ho an’ity BEPC ity. Tsy misy ny naoty hoe ambany be na ambony mety hisarika manokana ny sain’ny mpitsara, araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny Cisco Antananarivo Renivohitra.
Tany amin’ny Ciscon’Iakora : 66,85% ny taham-pahafahana BEPC. Ho an’i Mandoto 69,70%. Nahatratra 85,25% an’Ambatomainty, ho an’ny Ciscon’i Faratsiho: 55,39%. Tany Morafenobe, 75,90% ny taham-pahafahana raha 57,64% ho an’Andramasina.
Vonjy A.




