Fitondrana olona an-keriny ao amin’ny tanànan’Amparafaravola, lavon’ny balan’ny Fip ny jiolahy raindahiny iray, afakomaly alina.
Nirefodrefotra ny basy. Rotiky ny balan’ny polisy ny tompon’antoka tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Amparafaravola, ny alin’ny talata 11 jolay hifoha 12 jolay teo. Malaza ratsy, fikambanan-jiolahy mihitsy ireto nifampitana tamin’ny mpitandro filaminana ireto. Nilafika tao amin’ny fokontanin’Amparamanina ny jiolahy maromaro. Nidina ifotony hisambotra azy ireo ny polisin’ny Fip. Nifanehatra tampoka tao amin’ny fokontanin’i Mahakary ny roa tonta. Raikitra ny fifandonana. Nitifitra avy hatrany tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana teny aminy ny jiolahy. Niaro tena, namaly tifitra ny polisy. Lavo ny iray tamin’ireo olon-dratsy tamin’ny 2 ora maraina. Voasambotra ny namany ankoatra ity lavo ity, mpiara-manao fanafihana aminy tra-tehaky ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanjevoana. Tafaporitsaka ny iray hafa. Zanak’ilay lehibena jiolahy mpaka an-keriny voatifitra tao Amparafaravola ihany ity voasambotra ity. Efa nokarohina hatry ny ela noho ny asa fampihorohoroana tao an-toerana. Notanana hatao fanadihadiana eo anivon’ny kaomisarian’ny polisy ity azo sambo-belona ity. Hatolotra fitsarana ny raharaha aorian’izay.
Namaly zandary
Ankoatr’io, jiolahy mpanakan-dalana iray maty voatifitry ny zandary tao amin’ny PK 129, anatin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, ny alatsinainy 10 jolay teo. Nikasa hanakan-dalana ireo taksibrosy mampiasa iny lalana iny ireto olon-dratsy ireto. Raikitra ny fifandonana tamin’ny zandary nanao fisafoana. Vokany, lavo ny jiolahy iray. Tafaporitsaka ny namany. Mitohy ny fanarahan-dia.
Tsiferana R.