Fasan’ny Karana : nirefotra ny basy, moto iray nalain’ny jiolahy an-keriny

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray teny amin’ny Fa­san’ny Karana, omaly atoandro, tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Roa lahy nandeha moto no norobaina jiolahy telo nandeha moto koa. Teo amin’ny lalan-dratsy mialoha ny hidirana ny toby fiantsonan’ny taksiborosy no niseho ny fanafihana. Somary nandeha mora ireo roa lahy niharan’ny fandrobana raha nandalo ny lalana ratsy mialoha ny hidirana ny fiantsonana. Teo no nohararaotin’ireo olon-dratsy notafihana izy. Efa narahin’ireo jiolahy avy aoriana izy roa lahy niharam-boina ka nony tonga teo amin’ilay lalana ratsy no nitranga ny fanafihana. Tao anatin’ny fotoana fohy no nanatanterahan’ny mpanafika izany. Nidina teo ambony moto ny roa lahy mpanafika ka nanakana ny lalan’izy roa lahy. Nanapoaka basy ry zalahy ka nanery azy roa lahy hiala haingana eo ambony moto. Tampoka ny fitrangan’ny fanafihana. Tsy afa-nanoatra izy roa lahy ka nanome avy hatrany ny moto. Lasa nirifatra nitsoaka ireo jiolahy roa naka ilay moto narahin’ilay namany avy aoriana. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy na naratra nandritra ity asa ratsy ity. Tao anatin’ny fotoana nahamaro ny olona nifamezivezy tamin’iny lalana iny anefa no nisehoan’izany. Nihorohoro tanteraka ny olona naheno ny poa-basin’ireo jiolahy. Niezaka nanara-dia ireo mpitandro filaminana eo amin’ny Fasan’ny Karana saingy efa tafaporitsaka ry zalahy.

J.C

Partager sur: