Hivahiny ao amin’ny fandaharana “Ambarao”, onjam-peo Alliance 92 FM, anio, ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat). Ho voaresaka amin’izany sy hitondrany valiny ny momba ny fanisana ny mponina farany teo sy ireo taha samihafa eo amin’ny lafiny sosialy. Manampy izany ny momba ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny tahan’ny fiakaran’ny harinkarena faobe. Mifanohy amin’ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, ny alahady lasa teo izany, manoloana ireny resaka antontanisa samihafa ireny.
Harahintsika, anio, amin’ny 12 ora sy fahefany ny amin’ny fiteny malagasy ary amin’ny 1 ora sy fahefany kosa ny amin’ny fiteny frantsay ao amin’io onjam-peo io. Miverina ny fandaharana ny alahady maraina amin’ny 9 ora sy amin’ny mitataovovonana. Ho hita any amin’ny “Site”-n’ny News Mada koa izany, aorian’ny fandaharana.
Synèse R.




