Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manana rafitra sy lamina mazava arahina ao anatin’ny taona iray. Anisan’izany ny fanatanterahina ny « Herinandron’ny kabary ». Ho an’ity taona ity, hotontosaina any Toamasina, ny 14 aogositra ka hatramin’ ny 19 aogositra izao, ito hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy ito.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fifanakalozana isam-paritany. Fanehoana ny kabary mampiavaka ny faritra tsirairay. Marihina fa tao anatin’ny fotoana nampirongatra ny valanaretina Covid-19, tamin’ny alalan’ny « Zoom » no nanatanterahina ny « Herinandron’ny kabary » izay saika hatao tany Antsirabe.
Ankoatra ny «Herinandron’ny kabary», mirona kokoa any amin’ny fiaraha-miasa amina sehatra hafa ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy nanomboka tamin’ity taona ity. Iray amin’ireny ny fizahantany, nanatanterahina ny « Kabary Tours ». Hanana tombony lehibe eo amin’ny fampahafantarana ny faritra Atsinanana sy Toamasina ny « Herinandron’ny kabary » manomboka izao.
HaRy Razafindrakoto




