Tao anatin’ny dimy taona : nitombo be ny isan’ny tononkalom-pitolomana

Ny mpanoratra, mpamosaka ny ampitso. Mety ho lakolosy fanairana ihany koa ny asa sorany. Nanana ny nampiavaka azy anefa ny fiainan-dry zareo ireto tao anatin’ny dimy taona…

Taona 1960, nahatsiaro tsy mbola ho afaka i Ma­dagasikara. Nipololotra ny tononkalom-pitolomana. Taona 1972, nivaivay ny endriky ny mizana tsindrian’ila sy ny fampisaraham-bazana. Nirona tany amin’ny fanehoana izany ny tononkalo… Tao anatin’ny dimy taona (2018 – 2023), nitombo be ny isan’ny tononkalom-pitolomana. Na mitovy aza ny lohahevitra (samy tononkalom-pitolomana), samihafa kosa ny vontoatin’ny tononkalo tamin’ny taona 1960 sy ny taona 1975 ary ny asa soratra nanomboka tamin’ny taona 2018.
« Satria izahay ao anatin’ny fiarahamonina. Miainga avy amin’ny tranga iainana ao anatin’izany fiarahamonina izany ny tononkira omena ny olona fa amina endrika kanto », hoy i Dama. Manana endrika mivantana sy mahitsy ny sanganasan’i Dadan’i Zina nampitondrainy ny lohateny « Tsy vazaha fa Malagasy » raha oharina amin’ny « Om­bin-tsarety sy ny olona » nosoratan’i Joséphine Ranirina.

Manomboka sahy sy mivantana
Nilaozan’ireto mpanoratra tononkalom-pitolomana miaina amin’izao vanim-potoana izao ilay fanehoana ambadika na an-kolaka ny tiana hampitaina. Amin’ny lafiny iray, azo hadika ho fahasahiana. Lafiny faharoa, toa milaza fa mavesatra sy mila tsy ho zaka ny zava-manjo ny fiarahamonina. Fijery hafa, manomboka mitaky zava-mahitsy ny Malagasy mba hialana ao anatin’izay heverina ho geja sy fihatsarambelatsihy.
Azo hitarafana ny fiainam-piarahamonina voafaritra ao anatin’ny vanim-potoana iray ny tononkalo. Rehefa tsy mahita hiantorahana intsony, ohatra, ny fiarahamonina, mitombo be ny sanganasa mitodika amin’ Andriamanitra. Manao izay maha kizo fara azy, ohatra, ny mpitondra, hita etsy sy eroa ny tononkalo manentana hiady amin’ny tsy rariny, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: