Antoko RPSD: “Tsy tokony hiandrasana ny Sadc ny vahaolana”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko RPSD, tarihin’Andriatsizehena Benja Urbain na i Bebain. Namba­rany fa tsy maintsy atao amin’ity taona ity ny fifidianana, araka ny voalazan’ny Lalàm­panorenana. Na izany aza, takin’izy ireo ny hanovana ny governemanta sy ny hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Mba hangarahara sy madio ary eken’ny rehetra izany… Tokony hanana fandeferana ny rehetra ho amin’ny fikaroham-bahaolana mialoha ny fifidianana fa tsy iandrasana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, toy ny Sadc, tahaka izao”, hoy izy.
Etsy andaniny, nambarany fa hanana kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny depiote ny RPSD. “Tsy hanolotra olona izahay amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Hisafidy amin’ireo kandidà ofisialy havoakan’ny HCC ka manana vinam-piarahamo­nina mitovitovy aminay”, hoy izy. Hanapa-kevitra momba izany ny kongresy na koa ny fivorian’ny birao politika.
Ankoatra izany, anisan’ ireo resy lahatra ka nanasonia ilay satan’ny fitondran-tenan’ ny mpanao politika iarahana amin’ny FES ny RPSD.
Tsiahivina fa naorin’i Tsi­ranana Pierre, ny taona 1992, ny antoko. Izany hoe, 31 taona lasa izany ary notantanin’i Marson Evariste taty aoriana, raha filoha mpitarika kosa amin’izao fotoana izao i Bebain.

Synèse R.

Partager sur: