Fiarovam-pirenena : nosokafana ny fihaonambe iraisam-paritra

Nampitandrina ireo dahalo mandatsaka ny ain’ny mpiray tanindrazana samy Malagasy ny minisitry
ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Eo koa ireo mieritreritra hanakorontana ny firenena.

Nosokafana tamin’ny fo­mba ofisialy teny amin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena (MDN), omaly, ny fihaonambe iraisam-paritra momba ny fiarovana sy ny filaminana na «Forum inter régional sur la défense et la sécurité» andiany voalohany. Hatao any Morondava, ny 3 sy 4 aogositra 2023 ho avy izao izany, ka hiara-kisalahy amin’ izany ny faritra Melaky, Atsimo Andrefana, Vakinankaratra ary Bongolava ao anatin’ny lohahevitra hoe : «Miara-miasa ho an’ny fandriampahaleman’ny firenena». Nitarika izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, niaraka tamin’ireo mpikambana sasantsasany eo anivon’ny governemanta. «Ni­sy ny laminasa nomena ho­tan­terahina ao anatin’ny enim-bolana ho fanatanterahana ny velirano voalohan’ny filohan’ ny Repoblika Andry Rajoelina amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Ho fanohizana izany indrindra izao fihaonambe iraisam-paritra izao», hoy ny MDN. Nambarany fa mahavelombolo satria ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena ary ny polisim-pirenena no efa manome ohatra sahady ka raha misy olana eto amin’ny firenena dia miaraka hatrany mitady vahaolana.

Natao izao mba ho fitaratra ho an’ny olon-drehetra eto Madagasikara, ho fanehoana ny fitiavan-tanindrazana ny fiarahana mamaha olana toy izao ka avy eo dia afaka mandamina ny resaka ara-politika. Nanome toromarika manokana ireo miaramila eo ambany fifehezany ny MDN satria izy ireo no tandroka aron’ny vozona no sady manana andraikitra voalohany amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra. «Izany indrindra no anton’izao hetsika izao noho iny faritra iny mafana amin’ny tsy fandriampahalemana», hoy izy. Izao andiany voalohany izao no lasitra hoentina manohy ireo andiany manaraka atao any amin’ireo faritra hafa eto Madagasikara mba ho fanamorana izany.

Jean Claude

Partager sur: