Vokatry ny fomba fanomanana ny fifidianana ny fangatahana fanemorana izany, araka ny fanazavan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, taorian’ny fihaonany tamin’ny iraky ny Sadc, teny Antaninarenina, afakomaly. “Mety tsy mipetraka ny ahiahy na fangatahana fanemorana ny fifidianana, raha tomombana ny fanomanana azy”, hoy izy.
Amin’ny maha vondrona iraisam-pirenena ny Sadc, izay mahafantatra tsara ny tantaran’i Madagasikara, indrindra ny tontolon’ny fifidianana: manana ny fomba fijeriny sy ny heviny manoloana an’izany ry zareo mba hahazoana manolotra soso-kevitra. Voaresaka koa ny amin’ny vola sy fitaovana enti-manana ny fifidianana, ny fanabeazana ny olompirenena hiatrika fifidianana. Nojerena koa ny andraikitry ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Teo koa ny amin’ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika am-perinasa amin’izao zom-pirenena hafa.
Nisy ny fihaonan’ny Sadc tamin’ny HCC, omaly. Teo koa ny fihaonany tamin’ny Ceni, ny antoko eo amin’ny fitondrana.
R. Nd.




