Manao ranolava ny fihaonan’ny iraky ny Sadc amin’ny mpanao politika sy ny Andrimpanjakana. Anisan’ny nandray azy ireo tetsy Ambohidahy, ny eo anivon’ny HCC, omaly. “Betsaka ny feo mandeha saingy tsy izany ny anton-dianay eto. Hanao tombana ny fifidianana mba halalaka sy madio ary mangarahara. Eo koa ny fanaovana tombana momba ny lafiny lalàna. Miainga avy amin’izany ny ahatongavana amin’ny fifidianana eken’ny rehetra”, hoy ny mpitsara sady filoha mitarika ny delegasionina, i Ticheme Dlamini sy i Mwansa Kabalata.
Nitohy tamin’ny fihaonan’ ireto iraka ireto amin’ny Ceni, teny Alarobia, izany. Nanaovan’izy ireo tombana ny fahavononana eo amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana. Nandray ireo parlemantera teo aloha (CST, CST…) teny Antaninarenina koa ny Sadc.
Efa any amin’ny fifidianana kosa indray ireo avy amin’ny TGV/Mapar/IRD ary tsy iadian-kevitra izany, araka ny nambaran’ny mpikambana, Andriamananoro Augustin, taorian’ny fihaonan’izy ireo amin’ ny Sadc. “Efa nivoaka ny tetiandro rehetra ary tsy ekena ny fametrahana ny Tetezamita. Naka toky manoloana ny ahiahy amin’ny fifidianana ireto iraka ireto. Efa ofisialy anefa ny datim-pifidianana”, hoy izy. Nambarany fa nentina tamin’ny Sadc ny fitsipi-dalao iarahana amin’ny Ceni ary efa eken’ny TGV/Mapar, araka ny nambarany.
Synèse R.




