Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni, afakomaly, tetsy Ambodivona, ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin. Nohazavainy tamin’izany ny toeran’ny governemanta manoloana ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana.
“Manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni ny governemanta”, hoy ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny filazan’ny antoko sasany hoe tsy mahaleo tena ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Tsy maintsy mandray ny andraikitra tandrify azy kosa ny governemanta amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ilana filaminana sy fitoniana ny fikarakarana fifidianana.
Fanapahan-kevitry ny governemanta ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Tsy fifidianana mialoha ny fotoana izao karakaraina izao, ka hoe hijanona amin’ny teo aloha ihany izay anto-bola izay. Mazava ny voalazan’ny didy aman-dalàna fa tsy tokony hatao amin’ny fotoan’ny orana ny fifidianana.
`
Misy antoko politika 200 mahery eto Madagasikara. Raha izay manao hetsika an-dalambe na amin’ny toeram-piasana isan’andro, tsy misy raharaha ho vanona. Ny antoko rehetra no jerena rehefa mandray fepetra, tsy antoko telo na efatra. Ny hampilamina ny fiainam-bahoaka no nandraisana ny fepetra amin’ny famoriam-bahoaka anaty efitrano.
Ho tonga ny fotoana hanaovana fampielezan-kevitra, malalaka ireo mpanao politika. Tsy misy hanakana an’izany. Manome toky izy fa hanaja an’izay tsy fiandaniana izay ny eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
R. Nd.




