Napetraka, omaly, ny arseveka vaovao an’ny diosezin’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Niatrika izany ny filoha Rajoelina Andry izay nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika.
Napetraka tamin’ny fomba ofisialy, amin’ny fomba katolika ny arseveka vaovaon’ Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Mpino marobe no tonga nanotrona ny lamesa, natao teny Soamandrakizay, omaly. Anisan’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izay nisitraka manokana ny fiangonana katolika (Ekar) amin’ny fikarakarana sy fanasoavana ny vahoaka. Nambarany fa iray ihany ny vahoaka hasoavina. Maro ny asa fampandrosoana tanterahin’ny fiangonana toy ny fanabeazana, ny fampianarana sy fahasalamana, ary indrindra eo amin’ny finoana.
“Antony tsy maintsy anampian’ny fitondram-panjakana ny fiangonana izany satria betsaka ny asa ifandrombonana. Eo anilan’ny Ekar hatrany ny fanjakana amin’ny fanatontosana ny asa rehetra ho an’ny vahoaka sy ny kristianina…”, hoy ny filohan’ny Repoblika. Notsahiviny ny nitokanana ny fiangonana ao Antsirabe sy ny hitokanana ny foibe fanofanana ny tanora katolika eny Ambatobe. Hitohy amin’ny fitokanana ny eglizy lehibe any Fenoarivo Atsinanana izany. Nirary soa ny arseveka vaovao Raoelison Jean de Dieu ny tenany. Nisaotra ny arseveka teo aloha, ny Mgr Razanakolona Odon, hisotro ronono. Tsy adinony koa ireo ankizy niatrika ny androm-pirenena ho an’ny ankizy “JNE III”.
Ankoatra izay, nizara Vatsy tsinjo teny amin’ny fokontany Ambatobe ny filoham-pirenena ny sabotsy teo. “Tsy maintsy mifampitsinjo isika. Miaraka hatrany sy hifanampy. Hojerena koa ny maha olona ka ampiana am-pitiavana ny vahoaka”, hoy izy. Nampanantena ny hijerena ny fidiran’ny mpianatra ny filoha. Torak’ izany ny hanamboarana kianja ho an’ny tanora sy ny tranom-pokonolona eny an-toerana. “Hatao fokontany modely Ambatobe”, hoy izy.
Synèse R.




