Nandresy ny ekipan’i Tonizia , noho ny tsy fahafahana nilalao, ny ekipa malagasy, omaly, ao anatin’ny lalaon’ny Frankofonia, taranja basikety. Tafakatra amin’ny ampahefa-dalana, araka izany, ny Ankoay. Taorian’ny faharesena tamin’ny isa ety dia ety, nanoloana an’i Cameroun, ny sabotsy lasa teo.Antony tsy nahafahan’ny tonizianina nilalao ny olana teo amin’ny fanamiana. […]
Mois : juillet 2023
Kitra – Jobilin’i Ahmad: nomontsanin’ny Barean’i Madagasikara i Mayotte
Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianja Rabemananjara Boeny, ny “tournoi” baolina kitra, fankalazana ny jobilin’i Ahmad, filohan’ny CAF teo aloha. Lasan’ny Barean’i Madagasikara ny amboara rehefa nanamontsana an’i Mayotte, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1. Nampiditra ny baolina voalohany ry zareo Mahorais, tamin’ny alalan’ny “coup franc”, nodakan’i Adifane, kapiteny, […]
Lutte – Lalaon’ny FRANKOFONIA: Medaly volafotsy i Mbola
Tsara fiditra ny Malagasy mpanao “lutte”, omaly alahady, teo amin’ny fiadiana ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay “Jeux de la francophonie”. Fihaonana, tanterahina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokatrikan’i Congo. Niady ny medaly volamena, sokajy -74 kg, i Mbola saingy resy. Ankoatra izay, nifampitana izay hahazo […]
Kitra Analamanga: tompondaka ny FC Rouge
Notontosaina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, ny lalao famaranana ny ligin’Analamanga. Voahosotra ho tompondaka tamin’ izany ny FC Rouge. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’ny AS Sainte Anne, taorian’ny fanalavam-potoana. Marihina fa nisaraka 1 no ho 1 ny roa tonta teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna. […]
Afrika Juniors/Cadets : nahazo medaly sivy ny Malagasy judoka
Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy “Junior” sy “Cadet”. Nahazo medaly sivy i Madagasikara. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy mpikatroka, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, notontosaina teto Madagasikara. Medaly sivy no norombahin’ny Malagasy, volamena iray, volafotsy roa ary alimo enina. Rasoanaivo […]




