Mois : juillet 2023

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy hatramin’ny 31 jolay ny fetrandro farany fanaterana ny antontan-taratasy, famaliana antso amin’ny tetikasa GEF6-AMPs. Miompana amin’ny « fanitarana sy fanatsarana ny tambajotran’ny faritra arovana an-dranomasina eto Madagasikara » ny tetikasa. Vatsian’ny GEF vola. Nohavaozina ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo, “Office Malagasy des hydrocarbures”, (OMH). Tapitra ny volana avrily […]

Tetikasa Ambatovy : kaominina 14 nahazo Drafi-pampandrosoana

Nanampy tamin’ny fandrafetana ny Drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) miisa 14 ny tetikasa Amba­tovy. Natolotry ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Phillipe Beaulne, teny amin’ny Lapan’ny faritra Atsi­nanana, ny 29 jona teo izany. Misitraka ity PCD ity ny kaominina miisa 14, mandalo ny fantsombe miainga any Ambatovy Mora­manga hatrany […]

Jono tsy ara-dalàna: nahazo sambo haingam-pandeha i Mahajanga

Mahatratra 16 ireo sambo haingam-pandeha ampiasain’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hiarovana ny harena an-dranomasina. Hanamafy hatrany ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy voambara ary voafehin-dalàna ny minisitera. Nahazo sambo haingam-pandeha hanampiana ny sambo Atsantsa ny faritra Boeny. Manana tanjaka 115CVx 2 ity Sambo haingam-pandeha ity raha mirefy […]

Sakafo andavanandro : niakatra 200Ar ny kilaon’ny vary

Lany avokoa ny ankamaroan’ny tahirim-barin’ny mpamboly. Ankehitriny, niakatra 100Ar hatramin’ny 200Ar ny vidim-bary eny an-tsena. Tato anatin’ny andro vitsy, nahitam-piakarana ny vidim-bary eny an-tsena raha oharina ny tamin’ny volana jona. Manodidina ny 200Ar ity fiakarana ity ary voakasik’izany avokoa ireo karazam-bary rehetra eny an-tsena. Eny amin’ny tsenan’Analama­hitsy, vidiana 2 700Ar […]

INDRAY MIJERY

Mpampianatra 603 no nisitraka fampiofanana nanerana ny Ecole Normale Supérieur (ENS) efatra eto Madagasikara avy amin’ny tetikasa “Perform”, izay fiaraha-miasan’ny sekoly ambaratonga ambony ENS sy ny AUF ary vatsian’ny “Erasmus+”. Tanjona ny hananan’ireo mpampianatra fahaiza-manao amin’ny fampitana ny lesona amin’ny teny frantsay sy ny fampiasana ny haitao avo lenta. Nahazo […]