Mivadika ho vontoatin’adihevitra sahady ilay volabe, anto-bola 200 tapitrisa Ariary ho an’izay manam-paniriana ho kandidà filohan’ny Repoblika. Misy amin’izay efa nanao fanambarana hofidiana no milaza fa mihoapampana izany. Mangataka ny hamerenana azy amin’ilay taloha, ho 50 tapitrisa Ariary. Asa mety hampiverin-dalana izay nanam-pahavononana ve izany ? Iaraha-mahalala fa efa samy […]
Mois : juillet 2023
Raveloson Constant: “Ahina ny fifampihantsiana hiteraka savorovoro”
Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, ny mpandinika ny raharaha politika, Raveloson Constant. Anisany nohazavainy ny momba ny fifidianana sy ny mety hambaran’ny filohan’ny Repoblika, i Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa misy fandrika marivo tototra ny datim-pifidianana navoakan’ny governemanta io ka voajono amin’izany ireo rehetra voan’ny tazon-tseza. “Sahirana ny filoha […]
TSELATRA
Naratra mafy, nentina namonjy hopitaly ny mpamily ny fiara tra-doza teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly maraina. Nivadibadika ny fiara ka nipitika teny ivelany ny mpamily, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Tsy nisy olona ankoatr’azy tao anatin’io fiara io. Tsy fantatra mazava ny antony niteraka ny loza. Nosamborin’ny polisin’ny «compagnie urbaine de […]
Roa lahy voasambotra : vehivavy 12 saika haondrana any Allemagne sy Koweït
Voasambotry ny polisin’ny Service Central des enquêtes specialisées, ny talata 11 jolay teo, ireo roa lahy sy vehivavy 12 noho ny resaka fanondranana olona hiasa any amin’ny tany Arabo. Tratra teo am-panaovana pasipaoro an’ireo vehivavy 12 halefa hiasa any Allemagne, Egypte ary Koweït izy roa lahy voarohirohy. Nohadiadian’ny polisy avy […]
Karandalana nivadika : zaza efatra namoy ny ainy
Ankizy avokoa ny efatra tamin’ireo olona dimy maty, nandritra ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Antsaribao, 7 km tsy hidirana anatin’ny kaominina Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe, omaly. Niala tao Morombe, nitondra entana sy mpandeha hihazo an’i Toliara io karandalana io. “Avo be ny lalana ka nivadika avy hatrany ny fiara vantany vao […]




