Mois : juillet 2023

Lomano-Eran-tany: hiditra an-tsehatra, anio, i Tendrinavalona Idealy

Andro faharoa amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano, dobo filomanosana 50 m, anio, any Fukuoka Japon. Hiditra an-tsehatra anio, eo amin’ny 100 metatra “dos” i Tendrina­valona Idealy, raha toa ka efa nifaninana teo amin’ny 100 metatra “brasse” kosa, Ra­harvel Jonathan, omaly. Laha­rana faha-10 teo amin’ny “série” nisy azy i […]

Basikety-Mada U14 : Tompondaka zazavavy ny Lucadro avy eto amin’ny Faritra Analamanga

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety, ny Lucadro avy eto Analamanga. Tsy mbola fantatra kosa ny tompondaka ho an’ny zazalahy. Norombahan’ny ekipan’Analamanga, ny Lucadro ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety. Resin’izy ireo tamin’ny isa 34 no ho 24 ny ekipan’ny Academics Analamanga, omaly. Laharana fahatelo […]

TARATRY ny KANTO

Maro ireo fialamboly “vita Bacc”, tamin’iny faran’ny herinandro iny. Nanomboka izany ny “Fiderana vita Bacc”, teny Antsahamanitra, ny zoma teo. Somary vitsivitsy kanefa afa-po tamin’ny fiderana an-kira ireo tonga nanatrika. Nahatontosa ny iraka napetraka taminy ireo tarika sy mpanakanto marobe, toa an-dry Jaws Band, Aaron Pretra, Dida sy Tahiana, sns. […]

« Manal’azy vita bacc » : tsy nahasakana ny mpankafy ny fihemoran’ny hetsika

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Antsaha­ma­nitra, ny hetsika “Manal’azy vita Bacc”, andiany faha-30, niarahana tamin’ny tarika Olombelo Ricky, nokarakarain’ny Origina Event mg. Fahombiazana hatrany no azon’ny mpikarakara. Hetsika efa misy isan-taona izy ity ary mbola hitohy hatrany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Zary lasa fanao ny “Manal’ azy vita Bacc” […]

« Fehezan-kanto hafa mihitsy » : Nahaliana ny tanora ny hetsika

Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana « Fehezan-tseho hafa mihitsy”, nokarakarain’ny Onjampeo feon’Imerina. Mpahay kanto miangaly ny mozikan’ny taona 70 sy 80 no nanatanteraka izany, niaraka tamin’ny tanora mpamelo-maso ny gadona. « Tanjona tamin’izao hetsika izao ny hameloma-maso sy hampiroborobo ny kalo fahiny, izay mitondra fanabeazana sy kanto tokoa » hoy […]