Mois : juillet 2023

Kitra vehivavy – « Mondial 2023 »: nisaraka ady sahala i France sy i Jamaïque

Notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Sydney Foot-ball Stadium, ny fihaonana teo amin’i Jamaïque sy i France, taranja baolina kitra, vehivavy. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0 ny roa tonta nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany taona 2023. Lalao atao any Australie sy Nouvelle-Zélande, ny 20 jolay-20 aogositra. Tafiditra amin’ny […]

Fifanintsanana “Can 2024”: hiantso mpila ravinahitra telo i Rôrô, mpanazatra ny Barea

Nambaran-dRakoton­drabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barean’i Mada­gasikara, ny zoma lasa teo, tetsy Mahamasina, fa niantso mpilalao mpila ravinahitra miisa 3 izy hanatevina ny Barea. Hanampy ireo efa ao anaty lisitra, hikatrohana amin’i Angola, mandritra ny andro fahefatra, fifanintsanana CAN 2024. “Tsy mbola afaka ha­nambara ny anaran’izy ireo aho fa ny […]

Fiba 3×3 Wuxi Challenger: laharana fahefatra ny ekipa malagasy

Tafapetraka eo amin’ny laharana fahefatra ny ekipa malagasy «Team Antananarivo», tao anatin’ny fifaninanana «Fiba 3×3 Wuxi Challenger», taranja basikety, notontosaina tany Chine. Fifaninanana nanomboka ny 21 jolay lasa teo ary nifarana omaly alahady 23 jolay. Teo amin’ny lalao manasa-dalana, nanoloana ny ekipan’ny Beijing no nifarana ny lalan’i Elly, Fiary, Arnol […]

Lalaon’ny Nosy : nasiam-panamboarana ny kianja Barea sy Alarobia

Mitohy ny fanatsarana sy fanamboarana ny “piste” hihazakazahana ao amin’ny kianja Barea sy Alarobia. Toerana hanaovana ny taranja fototra atletisma, amin’ny lalaon’ny Nosy. Anisan’ny fotodrafitrasa handray ny fifaninanana taranja fototra atletisma amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ho tanterahina eto Madagasikara, ny kianja Ala­robia. Nanomboka ny fiandohan’ity volana jolay ity, nikatona […]

Sombim-baovao

Hifarana anio ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ny ligim-paritra, taranja baolina kitra. Ny sabotsy 12 aogositra ny hanatontosana ny fifidianana manerana ny ligim-paritra 23. Izay ho lany eo no hifidy indray ny filoha vaovaon’ny federasiona malagasy (FMF), ho an’ny taom-piasana manaraka. Hotanterahina ny 14 sy 15 oktobra 2023, any […]