Ny faran’ny herinandro teo no nanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny famarinana olombelona. Misy ny tetikasa mitentina 2 tapitrisa dolara hotanterahina, izay vatsin’ny governemanta amerikanina, hiadiana amin’zany famarinana olona izany.
Hanampy ireo mpitandro filaminana hahazo ny fiofanana ilainy ity tetikasa ity. Hahafantarany ny famarinana amin’ny endriny rehetra, sy hahaizany misafidy ireo fanontaniana tsara tokony hapetraka ary hahafahany manangona ireo porofo ilaina amin’ny fanenjehana izany.
Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpitsara sy ireo mpampanoa lalàna hampihatra ny lalàna 2014 miady amin’ny famarinana ihany koa ny tetikasa. Hanomana azy ireo hitsara ny raharaha mifandraika amin’ny famarinana ary hitazona ireo mahavanon-doza ho tompon’andraikitra amin’ny heloka vitany.
Endrika famarinan’olona ny fanandevozana an-trano izay mihatra amin’ny mpiasa an-trano tsy afaka miala amin’ny asany, iharan’ny fanararaotana ary zara raha mandray karama na tsy mandray karama mihitsy, raha ny tatitry ny masoivoho amerikanina. Maro amin’ireo mpiasa an-trano no zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Matetika izy ireo no tsy mandray karama, satria mivantana amin’ny fianakaviany ny karamany. Matetika dia iharan’ ny fanararaotana amin’ny endriny isan-karazany ny zaza tsy ampy taona miasa an-trano.
Tatiana A




