Fanadinana bakalorea – Toamasina : vinavinaina hivoaka ny 17 aogositra ny valiny

Nifarana ny zoma faha-28 jolay teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea, Toamasina I, ho an’ny fampianarana ankapobeny tetsy amin’ny Lisea Jacques Rabe­mananjara. Efa miditra amin’ny fampidirana ireo naoty anaty solosaina ny tomponandraikitra ary mbola hisy fanamarinana farany. Raha ny teo amin’ny taranja Tantara sy Jeografia izay ahitana taratasim-panadinana roa, samy noraisina sy notsaraina avokoa ny taratasim-panadinan’ny mpiadina ka izay naoty tsara indrindra no horaisina, hoy ny fanazavan’ny mpitsara.
Ho an’ny fampianarana teknika kosa, vao ny alatsinainy 31 jolay teo no nanomboka ny fotoam-pitsarana ny taratasim-panadinana izay mbola ao amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara ihany, hoy ny nambaran’ny filohan’ny oniversiten’ i Toamasina, dokotera Razanakolona Diny. Vina­vinaina ny faha-17 aogositra ho avy izao ny fandinihana ny naoty farany ambany raisina ary mitohy amin’ny famoahana vokam-panadinana iza­ny, hoy hatrany ity mpitantana voalohany ny oniversiten’i Toamasina ity, omaly.
31 783 ny isan’ny mpiadina ho an’ny faritanin’i Toa­masina, nitombo 5,29% ho an’ity taona ity raha mitaha ny tamin’ny taona 2022. Ho an’ny sampana teknika, 1 572 ny isan’ny mpiadina niatrika ny bakalorea. 30 211 kosa ny ni­safidy ny fampianarana ankapobeny, hoy ny fanazavana azo. Efa miandry fatratra ny valim-panadinana ny rehetra.

Sajo

Partager sur: