Hiara-hiasa ny minisitera sy ny ONG DSF : hofanina amin’ny zaitra ireo vehivavy voafonja

Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny ONG Douleur Sans Fron­tières ( DSF) ny hetsika vaovao manaja ny maha olona, mikendry ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy voafonja. Tanjon’ny fifanarahana ny hanomezana fiofanana mo­mba ny fanjairana, indrindra ny akanjo tohitena, pataloha ary salaka ho an’ny vehivavy azo sasana aorian’ny fampiasana azy mandritra ny fadimbolana eny anivon’ny fonja efatra: Antanimora, Antsira­nana, Mananjary ary Mana­kara, ao anatin’ny fampiharana ny tetikasa «Mikolo Aina».

Ny tetikasa dia mikendry ny fikarakarana ara-pahasalamana ho an’ireo voafonja sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpandraharahan’ ny fonja. Iray amin’ireo tetikasa fanohanana telo ao anatin’ny fandaharanasa Fana­re­na­na, vatsian’ny «Agence française de développement (AFD)». Tomponandraikitra amin’ny fampiharana azy ny minisiteran’ny Fitsarana.

Hametraka fandaharam-piofanana arakasa mifanaraka amin’ny filàn’ny voafonja ny roa tonta izay mampihatra ny fomba fiasa mampiaty. Mi­kendry ny hanome azy ireo fahaiza-manao vaovao ahafahany mioitra amin’ny fiainana sy miverina indray eny anivon’ny fiarahamonina aorian’ny fivoahana ny fonja ny fiofanana hatolotra. Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisitra tomponandraikitry ny Fampianarana teknika, Va­vi­tsara Rahantanirina Ga­bri­ella, sy ny Tale nasionalin’ny ONG DSF, Jeanne Vignes.

Vonjy

Partager sur: