Nifarana ny herinandro teo ny atrikasa fiofanana “Slam-Poésie” nositrahan’ireo nahazo ny amboara tamin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny tantara an-tsehatra amin’ny teny frantsay. Narahin’ireo mpianatra avy amin’ny Lycée telo : Jules Ferry Faravohitra, Lycée Mixte Antsiranana ary ny Lycée Ambalakely-Lalangina ny fiofanana.
Tanjon’ny fifaninanana nasionaly ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra amin’ny teny frantsay sy ho fampiroboroboana ny literatiora frantsay izay tafiditra anaty fandaharam-pianarana vaovao eny amin’ny lycée.
Nisy ny fizarana taratasy fanamarinana ny nahavitan’ireo tanora ireo ny fiofanana. Nisaotra sy nankasitraka ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny SCAC, eo anivon’ny masoivoho frantsay, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Éducation service de coopération et d’action culturelle, (EduSCAC)” ary ny fikambanan’ireo mpianatra miteny frantsay ireo mpiofana.
Vonjy




