Fianarana sy fiofanana: Te handeha lavitra amin’ny politika Rotsiniaina

Nambaran-dRotsiniaina Herimalala fa anisan’ny nanamarika ny fiainany ny naka tahaka ireo raiamandreny ao anaty fianakaviana. Nisehatra tamin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy ireo, teo anivon’ny distrika sy ny kaominina na koa tamin’ny sehatra tsy miankina. “Nandray andrai­kitra tsikelikely teo amin’ny mpianatra sy ny fikambanana: Manda sy Mafami ary TMMM aho mba hitondra ny traikefa”, hoy izy. Niditra tamin’ny sehatra politika ahafahana mitondra hevitra sy manampy azy hanatratra ny tanjona momba ny “Développement territo­riale”. Nofidiny ny antoko Malagasy miara-miaina. “Tia mampiana-janaka ny MMM ka nanampy ahy nahavitana ny “Master en IEPT”, hoy ihany izy.
Nambarany koa fa tokony hihaino ny hetahetan’ny va­hoaka ny mpanao politika. Ilaina koa ny manampahai­zana eo amin’ny politika raha hikatsaka fandrosoana, araka ny nambarany. Niaiky anefa ny tenany fa olana eto amintsika ny tsy fahaiza-mitantana.
Tsiahivina fa 22 taona izao Rotsiniaina Herimalala. Za­naky ny kaominina Morarano, distrikan’Andramasina. Nana­raka ny “Master International en Intelligence Économique et Prospective des Territoires” tany amin’ny ENCG Dakhla Maraoka. Niofana arakasa tao amin’ny “Région du Dakhla Oued Eddahab”, any Maraoka momba ny “Programme du développement Régional et l’Intelligence”, tamin’ity taona ity.

Synèse R.

Partager sur: