Aiza ho aiza ny zotram-pifidianana amin’izao? Misy ny mpisehatra politika tsy manao afa-tsy ny mitsikera. Toy izany koa ny firaisamonina sivily sasany. “Aza variana manenjika fotsiny ny firaisamonina sivily”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpikamban’ny ASD, Rakotoson Andriamihaja Jimmy.
“Aza variana manenjika fotsiny… Amin’ny maha firaisamonina sivily, manana adidy amin’ny fanentanana sy fanabeazana olom-pirenena ny tena. Indrindra tsy ho voatariky ny olona any amin’ny fandranitana…”, hoy ny mpikamban’ny Action sociale pour développer (ASD), Rakotoson Andriamihaja Tsiry, amin’izao fiatrehana fifidianana izao. Mazava ny tenin’ny filohan’ny Ceni tamin’ny fandaharana manokana, tamin’ny haino aman-jery farany teo, hoe mba zavatra marina no avoaka, fa tsy hanakorontana izay tsy hahasoa ny firenena. Tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny fanakorontanana. Vao mainka aza hampilentika ny firenena izany.
Misy ny fanenjehana ny Ceni amin’ny hoe tsy ara-dalàna ny lisi-pifidianana, Tsy lavorary ny asa… Tamin’iny fandaharana manokana iny, niteny, ohatra, ny filohan’ny Ceni fa samy nilaza ny mpanao fitsirihana iraisam-pirenena toy ny OIF sy ny mpanao fitsirihana nasionaly eto an-toerana fa azo ampiasaina ny lisi-pifidianana amin’izao. Midika izany fa ara-dalàna ny lisitra. Samy nahahaino avokoa ny rehetra fa 11 043 836 ny isan’ny mpifidy ao anatin’ny rejisitra. Na teo aza ny fanitsiana, tsy manova ny isan’ny mpifidy mba hahazoana ny tanjona hoe listra tomombana tsara alohan’ny fanontana azy.
Ilaina ny fanabeazana olom-pirenena amin’ny fifidianana
“Mizotra antsakany sy andavany ny fanomanana ny fifidianana amin’izao”, hoy izy. Ilaina ny mifanentana eo amin’ny samy firaisamonina sivily amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena eo amin’ny sehatry ny fifidianana. Maro ireo firaisamonina sivily no nahazoana fankatoavana amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana, tokony hiara-mientana hanatanteraka izay fanaraha-maso izay. Tsy any amin’ny lisi-pifidianana intsony izao, fa samy mandray anjara ny mpanao politika, ny firaisamonina sivily, ny fiangonana, ny olobe… Mba hirosoana sy hahazoton’ny olona amin’ny fandatsaham-bato izany. Manentana ny firaisamonina sivily rehetra hiara-kisalahy amin’ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana. Efa mandeha amin’ny tokony ho izy ny zotram-pifidianana.
R. Nd.




