Tsy tsaroana intsony? Na iniana hadinoina… 32 taona ny “Raharaha 10 aogositra”. Inona ny marina? Tsiahy sy tantara fohy…
Taorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, marsa 1989, nisy ny fitakiana governemanta tetezamita. Nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha , ny 1 mey 1991, ny hetsika, narahina fidinana an-dalambe sy fitokonambe. Notakina ny fanovana ny Lalàmpanorenana, ny fialàn’ny filoha Ratsiraka… Ny hetsika “Diaben’ ny Fahafahana, ny 10 aogositra 1991, no noheverina hamaranana ny fitakiana.
Ny teo anivon’ny Hery Velona Rasalama (HVR) no nitarika ny hetsika. Teo ny Pr Zafy Albert, ny Pasitera Andriamanjato Richard, ny Jly Rakotoarisoa Jean. Niainga teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny vahoaka hoe hifampidinika amin’ny filoha Ratsiraka hametra-pialana ny solontena. Nisy ny antoko politika tsy niara-dia tamin’ny HVR nilaza fa fitondrana ny vahoaka hovonoina izany. Hahitan-doza raha “hanihana” ny lapam-panjakana.
Tsy araka izay niheverana azy ny raharaha
1,5 km alohan’ny sampanan-dalana mankany amin’ny Lapan’Iavoloha, niraraka ny toraka pilotry ny Antandroy. Nikoropaka sy niparitaka ny olona. Nisy ireo nipoahan’ny vanja nilevina teny an-tanimbary. Nisidina teny amin’ny habakabaka ny helikoptera, noheverina fa nitsoahan’ny filoha Ratsiraka. Kinanjo, tifitra sy fandatsahana grenady no nitranga. I “Masoandro” no hoe nanome baiko hikendry ny fiara miloko mainty, nisy ny
Pr Zafy Albert. Teo koa ny fibaikoana ny miaramila hitifitra ny tongotry ny olona.
Firy ny maty? Na ny naratra… Tsy fantatra. Nalaza ny hoe nisy lavaka nanaovana fandevenana faobe, ny fanasana no arabe nihosin-dra, ny fanaovana savahao ny tanàna ny alin’ny 10 aogositra…
R. Nd.




