“10 aogositra”: nihaona tamin’ny vahoaka ny mpanao politika

Teny an-kianja avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao politika tamin’ny fanamarihana ny 10 aogositra, omaly. Anisan’ iza­­ny ny teo anivon’ny RMDM, nanatanteraka fihaonana tetsy Bel Air. Nanamarika ny fahefa-taony nijoroany sady nam­paha­tsiahy sy nampitaha ny 10 ao­gositra 1991 sy ny iainana amin’izao fotoana izao. “Fanavo­tam-pirenena ho an’ny demokrasia sy ny fampandrosoana izao raha tolona ho an’ny fanavotana sy nanafahana ny firenena ny tamin’izany”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Rava­lo­manana. Tsy nifanalavitra amin’izany avokoa ny nambaran’ireo antoko politika, nandaha-teny. “Ny fi­tiavan-tanindra­za­na no mampiray antsika”, hoy izy ireo.
Etsy andaniny, voasakan­tsa­kan’ny zandary teny an-da­lana ny famoriam-bahoaka ana­ty trano nataon’ny HVM tany Ampanefena, Vohemar, omaly. Raikitra ihany anefa izany avy eo. “Tsy voahaja ny zo fototra hifamezivezy. No­tsenain’ny mpitandro filaminana mirongo basy izahay. Olo­na tia filaminana , manaja filaminana ary indrindra manaja ny lalàna hatrany izahay”, hoy ny filoha teo aloha, Rajaona­rimam­pianina Hery.
Nihaino ny olan’ny vahoaka sy ny fitarainany tao amin’ny Fark Md Josefa Ambositra kosa ny Mihava Tour, tarihin’ny de­piote, Randrianasolo­niaiko Siteny. Nambarany fa anisan’ny hojerena ho an’iny faritra Amo­ron ‘i Mania iny ny toekarena miroborobo. Tafidi­tra ao ana­tin’ izany ny lafiny fambolena sy fiom­piana. Eo ihany koa ny harena an-ki­bon’ny tany. “Ma­nan-danja amin’ny toekarena sy ny asa tanana ary mahasarika ny mpizahatany izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: