Fitsinjaram-pahefana miabo : mila filaminana politika ny fanatanterahana

“Ny tsy filaminana politika no olana tena atahoran’ny rehetra. Raha milamina sy tony tsara isika amin’ny lafiny politika, tsy misy olana goavana ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana miabo”, hoy ny tale jeneralin’ny fitsinjaram-pahefana eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, Rabetahina Pascal Pierrot, ny amin’ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana miabo.

Efa vonona ny mpiara-miombon’antoka amin’ny famatsiam-bola, ny Enam sy ny Ivontoerana na­sionaly momba ny fitsinjaram-pahefana sy fampandrosoana ifotony (INDDL), amin’ ny fampiofanana, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fiadidiana ny Repobli­ka.
Fizarana voalohany ny asa maika sy vitaina ao anatin’ny fotoana fohy, taona 2023-2024: fanovana lalàna, fanaovana fanadihadiana sy fandinihana, fanaovana tolotrasa, famatsiam-bola, fanofanana… Ny asa anto­nona ezaka, taona 2025-2027; farany, taona 2027-2030. Avy eo, manao tom­bana.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 2 aogositra lasa teo, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ny drafi-pirenena momba ny fi­tsinjaram-pahefana miabo. Eo ny fanovana rafitra sy lalàna ho fototra hiaingana ny fitsinjaram-pahefana mia­bo, ny fanomezana andraikitra ny fitsinjaram-pahefana, ny fizakan-tenan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, famaritana isam-paritra ny politikam-panjakana.

R. Nd.

Partager sur: