Sesilany ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny hopitaly. Omaly, ny teny amin’ny Centre hospitalier universitaire Mère-enfant Ambohimiandra (CHUMEA) indray no nofanina.
Miompana amin’ny fandraisana sy ny serasera no hanofanana azy ireo. Nisitraka izany ireo Infirmiers d’accueil et d’orientation na IAO sy ireo mpisehatra ao amin’ny sampana Vonjy Aina.
Notsongaina manokana hanaraka ny fampiofanana izy ireo, izay misahana ny fandraisana voalohany sy ny fanomezana torolalana ho an’ny marary sy ny mpanaraka azy.
Efa voaofana ihany koa ny teo anivon’ny CHU Fenoarivo.
Tafiditra ao anatin’ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ny fahaizan’ireo mpiasan’ny fahasalamana mandray olona. Maro rahateo ireo mitaraina amin’ny fomba fandraisan’olona amin’ireny hopitaly ireny ka izany indrindra no nanaovana ny fanairana sy fampiofanana indray hanatsarana izany.
Matetika, avonavona, fahasiahana, fahakizitinana no setrin’ny fanontaniana ataon’ny marary na ny mpitondra marary amin’ny hopitaly ka rariny raha omena toromarika mazava ireo tomponandraikitra voalohany mandray olona amin’ireny toerana ireny.
Tatiana A




