Nitohy tany Ambohimiadana Andramasina ny fihaonan’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo amin’ny vahoaka. Voaresaka tamin’izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny fifidianana.
Nambaran’ity kandidà filoham-pirenena ity fa miankina betsaka amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy no ahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena. Anisan’ izany ny fanabeazana, ny fambolena sy ny fiompiana ho amin’ny fampandrosoana ny isaky ny kaominina. Nahitsin’ ny mpitarika ny MMM fa tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny fanomezana fahefana ny rafitra isan-tokony. “Tokony hiteraka fampandrosoana izany kanefa mandringa izany amin’ izao fotoana izao. Tokony omena fahefana manomboka ny fotoam-piasana ny olona tsirairay vao miteraka fampandrosoana fa tsy aty amin’ny faran’ny fotoam-piasana tahaka izao”, hoy ihany izy.
Nambaran’ny solontenan’ny mponina fa tena mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana izao.
Etsy andaniny, nambaran’ny kandidà Andrianainarivelo Hajo fa ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny firotsahan-kofidiana ny antoko ary hijery akaiky ireo mpitsara ho sahy hanao sonia ny « Certificat de nationalité malagasy » ho an-dRajoelina Andry. Anisan’ireo antontan-taratasy tsy maintsy ilaina amin’ny fahafahana mirotsaka hofidina ho filoham-pirenena izany. “Tsy tokony hangina manoloana ity toe-javamisy ity ny olom-pirenena rehetra. Aoka isika ho saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena ary tokony ho resaka tsy vita io. Tsy azo ampanginina fotsiny amin’izao, raha tsy misy ny fepetra na sazy mihatra momba ny fananan’ny filoha zom-pirenena vahiny io”, hoy ihany izy.
Synèse R.




