Enina aloha ireo efa nanambara ny haha kandidà filoham-pirenena azy, mialoha ny 28 aogositra hisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina izao.
Anisan’ny nanambara voalohany ny firotsahany, ny volana janoary teo, ny ambasadaoro teo aloha, i Paraina Auguste, atolotry ny fikambanana politika Tsara Tahafina .Ao anatin’ny fitetezam-paritra amin’izao fotoana izao izy sy ny ekipany.
Kandidà faharoa ny filoha nasionalin’ ny Tim, Ravalomanana Marc. Nanambara ny haha kandidà azy ny volana jolay teo, tamin’ny alalan’ny kongresy. Hitondra ny vina “Map Plus”, handresena lahatra vahoaka izy amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao.
Etsy andaniny, notapahin’ny filankevi-pirenen’ny MMM, ny faran’ny volana jolay teo, fa hatolotra ho kandidà ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. Anisan’ireo antoko telo voalohany, manana mpikambana maro indrindra eny ifotony ary nivoy hatrany ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Teny faneva entiny : “Sahy isika, maika hanorina ny ampitso”.
Kandidà roa tsy hita sy tsy heno loatra
Kandidà nanambara ny fahavononany, Rakotomahanina James Franklin. Mpitsara sy mpikambana sendikà. Efa filoha lefitry ny Ligy malagasy ho an’ny zon’olombelona sy ny vahoaka. ” Sakana ilay 200 tapitrisa Ar nefa efa mitady namana hanampy izahay”, hoy izy.
Nampahafantatra ny maha kandidà azy koa, Rasoamaka James. Filoha mpanorina ny antoko Mamiko ny Taniko i Madagasikara (MTM). “Tsy avelantsika ho tantely afa-drakotra ny firenena. Hitondra fanovana isika”, hoy izy. Nambarany fa vonona amin’ny fepetra rehetra amin’ny filatsahan-kofidina ny tenany.
Kandidà fahenina, nanambara ny firotsahany, omaly, Razafinjoelina Tahina. Fanapahan-kevitry ny kongresin’ny Firaisankina ho an’ny tia tanindrazana ((FTT), natao tany Fianarantsoa izany. Mpandraharaha sady teknisianina ny tenany.
Synèse R.
Mety ho kandidà vavitokana, ny depioten’i Tsihombe, i Masy Goulamaly. Andrasana koa ny ho fanambaran’ny filoha Rajoelina. Mbola resabe ny momba ny fizakany ny zom-pirenena vahiny. Miankina amin’izany ny hoavy politikany.
Mbola anisan’ny andrasana koa ny fanapahan-kevitry ny kongresin’ny HVM. Efa mirona mankany amin’ny haha kandidà azy ny fitetezam-paritra ataon’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery.
Tahaka izany koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy an-kijanona ny Mihava Tour hatramin’izao. Anisan’ireo mbola hanao fanambarana koa Raobelina Andry. Tompona haino aman-jery ary avy amin’ny Anjomara sy Rivo-Baovao (ARB).




