Andrianarisoa Romiary : nesorina tsy ho talen’ny kabinetran’ny Presidansa

Enim-bolana taorian’ny nanendrena azy ho talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika, nesorina i Andrianarisoa Romiary. Fikasana hanao kolikoly no antony.

Vita hatreo ny ny fiaraha-miasa amin’ny Fiadi­diana ny Repoblika sy ny talen’ny kabinetra, Andrianarisoa Romiary. Dimy andro taorian’ny nisamboran’ny mpanao famotorana anglisy azy tany Londres, nilatsaka ny didy fanafoanana ny fanendrena. “Misy tokoa ny fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana britanika hanamarinana ny fiampangana azy”, hoy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Voamarika tamin’izany fa nanomboka ny 9 hatramin’ny 22 aogositra ny fialantsasatra nalainy. Tsy fantatry ny tomponandraikitra ny fandehanany manokana any Royaume-Uni sy ny mety ho anton-diany, araka ny fanambarana hatrany. Notsia­hivin’ny tomponandraikitra ao an-dapa fa tsy maintsy manaja ny soatoavina repoblikanina ireo rehetra miasa eo anivon’ny Andrimpanjakana rehetra. “Saro-piaro amin’ny fitantanana madio sy mahitsy amin’ny raharaham-panjakana sy ny kolikoly ny filohan’ny Re­poblika. Hita taratra amin’ireo fanavaozana rehetra natao tao anatin’ny fanamafisana ny fanjakana tsara tantana izany”, hoy ihany ny fanambarana. Nilaza ny hanaraka akaiky ny fizotry ny fanadihadiana ny tomponandraikitra eto an-toerana. Anisan’ny ahafahana mampiharihary ny marina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fifandraisana amin’ny fanjakan’i Royaume-Uni.

Vola 225 000 livres sterling

Tsiahivina fa nosamborin’ny “National Crime Agency – NCA” tany Londres, ny alakamisy teo, Andrianarisoa Romiary sy ny vahiny, mpiara-miasa aminy, i Philippe Tabuteau. Ahiana ho tafiditra amin’ny kolikoly atao tamin’ny orinasa iray mpitrandraka vatosoa “Gemfields” izy ireo. Nikasa haka vola mitentina 225 000 Livres Sterling na 1 300 000 000 Ar, miampy petra-bola 5% amin’ireo tetikasa rehetra hatao eto Madagasikara. Hohenoin’ny fitsarana Southwark Crown Court izy ireo, ny 8 septambra izao. Mandritra izany, voatazona vonjimaika any amin’ny biraon’ny mpanao famotorana izy ireo.

Synèse R.

Talen’ny fifandraisana tamin’ny vondron’orinasa iray izy, nialoha ny nanendrena azy ho tale kabinetran’ny prezidansa, ny marsa 2023. Efa voatonontonona tamin’ny fikasana hamono ny filoha, tamin’ilay “Raharaha Apollo 21” koa Andrianarisoa Romiary, teny amin’ny fitsarana. Voatendry ho filohan’ny komitin’ny lavanila CMV, ny volana mai. Niandraikitra ny resaka etika teny anivon’ny vondron’ny mpandraharaha.

Partager sur: