Depiote R. Brunelle : “Fotoana izao hanovana ny fomba fanao”

“Lesona ho an’ny rehetra iny. Fotoana izao hanovana ny fomba fanao sy ny fomba fa­mindra”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ra­za­fintsiandraofa Jean Bru­nelle, manoloana ny raharahan’ny ta­len’ny kabinetra teo aloha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repob­li­ka. Mba hatoky sy ho marin-toerana ny vahiny mpampiasa vola eto. Afa-mitaky zavatra matotra sy tsara kokoa ny Malagasy ho amin’ ny tombontsoam-pirenena.
Tokony haka lesona ny tomponandraiki-panjakana rehetra. Mambotry ny firenena ary ma­mpatahotra ny vahiny hampiasa vola eto ny kolikoly. Afa-mandray ny andraikiny ny tomponandraikitra samihafa. “Fahafa­ham-baraka ho an’ny firenena ilay izy, raha manao azy ho matotra ny any ivelany fa isika manamaivana”, hoy izy. Maloto ve ny fiarahamonina sa tsy vonona handray andraikitra ka vitavita mora ny raharaha?
Rehefa betsaka ny kolikoly: manao zinona ny mpiasa ny vahiny. Matoky ny fifandraisany amin’ny tomponandraikitra am­bony ry zareo, ary manohana amin’ny vola sy amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny tomponandraikitra samihafa.

R. Nd.

Partager sur: