Hatramin’izao, misy hatrany ny mpisehatra politika miady fifampidinihana, fiaraha-mitantana, fitondrana Tetezamita… Mandeha amin’izany ny famendrofendroana ny mety hisian’ ny korontana politika mialoha sy mandritra na aorian’ny fifidianana. Misy tonga amin’ny fihantsiana aza, na fandrahonana hidina an-dalambe rehefa tsy araka izay iheverany azy ny raharaha na izay atao. Tsy ilaozan’izay fitompoan-teny fantatra ny sasany? Na fiheveran-tena ho zavatra…
Na ahoana na ahoana, ny vahoaka no tompon’ny teny farany: ho voafandrika amin’izay kajikajy sy paipaikan’ny mpanao politika sasany sa hiroso amin’ny fifidianana? Politika io. Arakaraka ny fifandanjan-kery sy izay tombontsoa iadiana na arovana. Tsy vitan’ny famoahana fanambarana na fanaovana rahom-bava isaky ny mihetsika io. Misy hatrany ny azo amin’izany? Saingy tsy bodo na bado ny vahoaka. Inona no korontana mbola ho zaka sy azo zakaina amin’izao?
Famahana ny olan’ny vahoaka sa izay manahirana ny mpanao politika no atao ho zava-dehibe sy mahamaika eto? Saika izay hatrany ny hoe krizy politika: ady tsy vita any an-dapa na an-taratasy, ampidinina eny amin’ny fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe. Na ny fiainam-bahoaka no iakarana na akarina ho olana politika. Vahana na aolana amin’ny politika ny fiainam-bahoaka? Na mba efa misy fiovana…
Tokony hamaha ny olan’ny vahoaka ifotony ny fifidianana; eny, na tsy mivantana sy eo no ho eo aza. Na firosoana amin’izay ahay… Miainga amina vinam-piarahamonina sy fandaharanasa izany. Hisy ve ny kandidà ho sahy hanao fanamby fa hitondra fiovana sy fanovana, raha mahazo fanjakana? Ao anatin’izany izay mampiady lava hatramin’izay: lalàna, rafitra, fomba fiasa… Ho hita eo fa ny vahoaka no tompon’ny teny farany.
R. Nd.




