Fianakavian’ny filoham-pirenena : nahazo tsodrano tamin’ny Papa ray masina Fransoa

Manao fitsidihana masina any Vatican ny filohan’ny Repoblika ombam-bady aman-janaka. Nitsodrano azy ireo sy ny vahoaka Malagasy ny ray masina Fransoa.

Manao fitsidihana manokana any Vatican ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’izy ireo sy ny ray masina, tao amin’ny birao fiasany. Nanotrona azy ireo tany an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla. Nanamarika ny fotoana ny vavaka sy tsodrano nataon’i papa Fransoa ho an’ny filoha Andry Rajoelina manokana sy ny fianakaviany, ary ny vahoaka Malagasy manontolo.
Etsy andaniny, anisan’ny nanaitra ny filoha ny nahita ilay asa tanana miendrika sambokely “Maquette de bateau en miniature”, nomeny ny papa Fransoa nandritra ny fivahinianany taty Mada­gasikara tamin’ny 2019. Nambaran’ny Ray masina fa mahatsiaro manokana ny Malagasy izy. Mitrotro amim-bavaka ny firenena sy ny vahoaka isaky ny mijery izany ity sambokely ity ao amin’ny birao.

Matotra ny fiaraha-miasa
Noraisin’ny sekretera lefitra misahana ny tatitra amin’ ny fanjakana, ny Mgr Miraslow Wachowski, ny filoha. Niom­pana amin’ny diplaomasia sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana roa tonta, efa maherin’ny 50 taona ny dinika tamin’izany. Eo koa ny hanaovana sonia fiaraha-miasa ato ho ato.
Voatsiahy koa ny fandraisan’ny fiangonana katolika anjara mavitrika amin’ireo sehatra fampandrosoana ma­ro eto amintsika. Anisan’ izany ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana ary ny fahasalamana. Voaresaka koa ny fiantraikan’ny ady any Ukraine eo amin’ireo firenena maneran-tany sy ireo krizy aty Afrika.
Nitohy amin’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Bazilikan’i Md Piera, izany niarahan’ny filoha mianakavy, nitondra am-bavaka sy nangata-pitahiana ho an’i Mada­gasikara sy ny vahoaka.

Asa avy hatrany
Ho tafaverina an-tanindrazana anio, ny filohan’ny Repoblika. Hitarika ny fitokanana ny lalam-pirenena fahasivy, mampitohy an’i Toliara sy Morombe, hatrany Manja izy. Lalana izay nampikaikaika ny maro taloha. Mbola misy ihany koa ny fitokanana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’i Toliara. Ity farany izay efa mandray sidina efatra isan-kerinandro ankehitriny.

Synèse R.

Partager sur: